Ni estas komunumo                                    Fianakaviambe iray ihany isika


Natao hifandraisana amin'ny olona mpampiasa ny teny Esperanto (esperantista) ity teny ity koa tsy mahagaga raha mifandray tokoa ireo sokajin'olona samy hafa. Mora kokoa anefa ny fifandraisana sy fifankazahoana rehefa mampiasa ny teny Esperanto satria samy tsy misy tompon'ity teny ity fa izay mahafehy azy no tompony. Miralenta ny fifandraisana noho izany. Toy ny nofinofin'i Zamenhof, ilay dokotera namorona ny Esperanto, dia mba ho fianakaviambe iray tokoa ny esperantista rehetra. Ho antsika eto Madagasikara dia sehatra iray hifanakalozana traikefa sy hifanampiana ny any anatin'ireny kilioba sy fikambanana esperantista ireny. Mitombo isa ny namanao eto an-toerana sy any ivelany rehefa mianatra sy mampiasa ny teny Esperanto ianao. 

Ankoatra ny fianarana ny teny Esperanto dia miezaka mizara ny talentan'ireo mpianatra eto amin'ity pejy ity koa izahay. Misy tokoa ny fanazarana azy ireo hanao asasoratra sy famokarana horonantsary tsotsotra amin'ny teny Esperanto.